Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?»
Genesisy 37:16 - Baiboly Katolika Dia hoy izy: «Mitady ny rahalahiko aho; masìna ianao, mba atoroy ahy kely izay iandrasany ondry.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa miangavy anao aho mba lazao amiko izay toerana iandrasany ondry. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao? Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna hianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry. Malagasy Bible Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry. La Bible en Malgache Dia hoy izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa miangavy anao aho mba lazao amiko izay toerana iandrasany ondry. |
Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?»
Ka hoy ralehilahy: «Efa nifindra niala teto izy, fa reko niresaka hoe: Andeha isika ho any Dôtaîna». Dia lasa i Josefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dôtaîna.
Lazao ahy, ry malalan’ny foko izay iandrasanao ny ondrinao, izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro, mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho, eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.