Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Genesisy 37:15 - Baiboly Katolika Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy lehilahy nahita azy nirenireny tany an-tsaha ka nanontany azy hoe: Inona moa no tadiavinao? DIEM PROTESTANTA dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe: –Fa inona no tadiavinao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe: –Fa inona no tadiavinao? Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa no tadiavinao? Malagasy Bible Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao? La Bible en Malgache Ary nisy lehilahy nahita azy nirenireny tany an-tsaha ka nanontany azy hoe: Inona moa no tadiavinao? |
Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
Dia hoy izy: «Mitady ny rahalahiko aho; masìna ianao, mba atoroy ahy kely izay iandrasany ondry.»
Ka hoy i Elisea taminy: «Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna, fa izaho arahina, dia hitarika anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo.» Ary tany Samaria no nitarihany azy ireo,
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: «Inona no tadiavinareo?» Ary hoy izy ireo taminy: «Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?»
I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: «Iza no tadiavinareo?»
Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe: «Iza no tadiavinareo?» Dia hoy izy ireo: «I Jesoa avy any Nazareta.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?» Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: «Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.»
Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na Ahoana no iresahanao aminy?
Ary indro kosa fa nanenjika an’i Sisarà i Baràka ka nivoaka hitsena azy i Jahela, ka nanao taminy hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao.» Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo i Sisarà, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.