Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 37:15 - DIEM PROTESTANTA

15 dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe: –Fa inona no tadiavinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary nisy lehilahy nahita azy nirenireny tany an-tsaha ka nanontany azy hoe: Inona moa no tadiavinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran’ny tanety ka nanontany azy hoe: –Fa inona no tadiavinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa no tadiavinao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha vao maraina be i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra feno rano; dia nomeny an’i Hagara izany sady napetrany teo an-tsorony, ary natolony azy koa ny zaza. Dia nalefan’i Abrahama izy mianaka ka nandeha nirenireny tao an-taniefitr’i Beera-Seba.


Fa hoy indray i Jakôba hoe: –Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,


Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao?


ary hoy i Elisà tamin’ny miaramila: –Tsy ity no lalana; ary tsy ity koa ny tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hoentiko any amin’ny olona tadiavinareo ianareo. Kanjo nentin’i Elisà nankany Samaria ireo.


Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe: –Inona no tadiavinareo izay? Ka novalian’izy roa lahy hoe: –Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?


Tamin’izay i Jesoa dia efa nahalala izay rehetra hanjo Azy, ka lasa nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: –Iza no tadiavinareo?


Dia nanontany azy indray i Jesoa hoe: –Iza no tadiavinareo? Dia novalian’ireo hoe: –I Jesoa avy any Nazareta!


Dia hoy Jesoa taminy: –Nahoana ianao, ramatoa, no mitomany? Iza no tadiavinao? Noheverin’i Maria ho mpiandry saha io, ka nataony hoe: –Raha Ianao re, Tompoko, no naka Azy, mba lazao amiko izay nametrahanao Azy, hangalako Azy!


Tamin’izay indrindra no tafaverina ny mpianany, ka gaga satria vehivavy no niresahany; saingy tsy nisy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?» na hoe «Ahoana no iresahanao aminy?»


Tamin’izay no tonga i Baràka izay nanenjika an’i Siserà; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an’i Siserà efa maty mitsitra eo amin’ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra