Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»
Genesisy 34:10 - Baiboly Katolika Dia honina aty aminay ianareo, ka ho azonareo hanaranam-po ny tany, na hipetrahanareo na hanaovanareo varotra na hahatongavanareo ho tompon-tany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; monena eo ary mivarota ao, dia ho isan’ny tompon-tany ianareo. DIEM PROTESTANTA Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hiara-monina aminay hianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ny tompon-tany hianareo. Malagasy Bible Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo. La Bible en Malgache Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; monena eo ary mivarota ao, dia ho isan’ny tompon-tany ianareo. |
Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»
Hoy kosa i Sikema tamin’ny rain’i Dinà, sy ireo anadahiny: «Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko,
Aoka hifanambady anaka isika: «Ny zanaka vavinareo homenareo ho anay; ny anay kosa halainareo ho anareo.
ka ento mankaty amiko ilay zandrinareo faralahy. Dia ho fantatro fa tsy mpisafo ianareo, fa olo-marina; ka amin’izay haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hanao varotra amin’ny tany ianareo.› »
Nonina tany Ejipta amin’ny tany Gesena i Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra.