ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »
Genesisy 33:19 - Baiboly Katolika Novidiny vola zato kesità tamin’ny zanak’i Hemora, rain’i Sikema, ny lanin-tany nanorenany lay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia novidiny kesita zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy. DIEM PROTESTANTA Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia novidiny vola zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy. Malagasy Bible Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy. La Bible en Malgache Dia novidiny kesita* zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy. |
ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »
«Henoy ny ahy, Tompokolahy: tanin’efajato sikla volafotsy io ka zinona izany amiko sy aminao? Fa aleveno ny vadinao.»
ka tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Josefa zanany;
Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hemora tany Sikema.»
Ary ny taolan’i Josefa, izay nentin’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin’ilay saha novidin’i Jakôba, nomeny zato kesitasy, tamin’ny taranak’i Hemora, rain’i Sikema, ary tonga fananan’ny taranak’i Josefa ny taolany.
Dia hoy i Gaala zanak’i Obeda hoe: «Iza moa i Abimeleka, ary zovy moa i Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy, ary tsy i Zebola va no lefiny? Ianareo no manompoa ny taranak’i Emôra, rain’i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an’i Abimeleka?