Fa niverina nankeo amin’i Jakôba ny iraka, ka nanao hoe: «Nankany amin’i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban’olona efajato.»
Genesisy 33:15 - Baiboly Katolika Dia hoy i Esao: «Avelao àry hamelako hiaraka aminao ahay ny sasany amin’ny olona miaraka amiko.» Fa hoy ny navaliny: «Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eo imason’ny tompoko aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Esao: Miangavy anao aho, aoka ary mba hisy havelako hiaraka aminao ny olona izay miaraka amiko. Hoy anefa i Jakoba: Inona no anton’izany? Aoka hahita fitia eto imason’Itompokolahy aho. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Hesao: –Havelako aminao ireo oloko sasany miaraka amiko. Fa hoy i Jakôba hoe: –Hatao inona moa izany? Fa ampy ahy rehefa nataonao tsara fandray aho, tompokolahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Hesao: –Havelako aminao ireo oloko sasany miaraka amiko. Fa hoy i Jakôba hoe: –Hatao inona moa izany? Fa ampy ahy rehefa nataonao tsara fandray aho, tompokolahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Esao: Masìna hianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’itompokolahy aho. Malagasy Bible Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho. La Bible en Malgache Dia hoy i Esao: Miangavy anao aho, aoka ary mba hisy havelako hiaraka aminao ny olona izay miaraka amiko. Hoy anefa i Jakoba: Inona no anton’izany? Aoka hahita fitia eto imason’Itompokolahy aho. |
Fa niverina nankeo amin’i Jakôba ny iraka, ka nanao hoe: «Nankany amin’i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban’olona efajato.»
Hoy kosa i Sikema tamin’ny rain’i Dinà, sy ireo anadahiny: «Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko,
Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.»
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Sibà: «Indro fa anao avokoa izay rehetra nananan’i Mifibôseta.» Dia hoy i Sibà: «Mihohoka amin’ny faladianao aho, ka aoka hahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko ô!»
Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».
Ka hoy izy: «Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.» Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy, dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.
Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo amin’izay mety ho hitan’ny tananao, ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»