Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Genesisy 32:25 - Baiboly Katolika Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavànin’ny feny no notendreny ka nivika terỳ ny foto-pen’i Jakôba nandritra ny nitolomany taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Jakoba irery no sisa nitoetra teo. Dia nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-pahatongan’ny andro ho mazava ratsy. DIEM PROTESTANTA I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro. Baiboly Protestanta Malagasy Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ny andro. Malagasy Bible Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro. La Bible en Malgache Ary i Jakoba irery no sisa nitoetra teo. Dia nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-pahatongan’ny andro ho mazava ratsy. |
Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin’ny andro.
Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavànin’ny fe mandrak’androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavànin’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.
Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh - ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Masin’i Israely sy izay namorona azy: «Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin’ny ho avy, dia ny hanome didy Ahy ny amin’ny zanako sy ny asan’ny tanako?
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
dia nilaozany ireo ka nandeha indray Izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny.