Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Genesisy 32:13 - Baiboly Katolika Dia nitoetra teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary nangalany hatao fanomezana ho an’i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. DIEM PROTESTANTA Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianao manko efa nampanantena ahy hoe: «Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hahatonga ny taranakao ho marobe tsy hita isa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-drano-masina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. Malagasy Bible Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. La Bible en Malgache Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. |
Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»
Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy,
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Ary hoy i Jakôba: «Tsia, fa miangavy aminao, raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho, raiso avy amin’ny tanako ny fanomezako; fa izany no nahitako ny tavanao hoatra ny mahita ny Tavan’Andriamanitra, ary efa mba tsara koa ny nandraisanao ahy.
Ary hoy i Esao: «Kasainao hatao inona avy ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny?» Dia hoy i Jakôba: «Ny mba hahitako fitia eo imason’ny tompoko.»
I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.
Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.
Nony tonga tao an-trano i Josefa, nampidirin’izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tanany, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.
Dia hoy aho tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa: «Lehibe ity ny asa, sady amin’ny tany malalaka; ka tafaely eny amin’ny manda sy tafasaraka be ihany isika rehetra.
Vato soa ho an’izay manana azy ny fanatitra, ka amin’izay itodihany ahombiazany avokoa.
Ny fanatitra omen’ny olona no mahalalaka ny lalany, sy mampiditra azy eo amin’ny lehibe.
Ny fanomezana mangingina mampitony hatezerana; ny fanatitra alaina anaty valombalonan-damba mampitsahatra fahavinirana efa tafahoatra.
Izao fanatitra entin’ny mpanomponao amin’ny tompoko izao, dia raiso ary aoka hozaraina amin’ny zatovo manaraka ny tompoko.
Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo amin’izay mety ho hitan’ny tananao, ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»