Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.
Genesisy 31:10 - Baiboly Katolika Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tamin’ny fotoana izay nikambanan’ny ondry aman’osy dia natopiko ny masoko ka hitako tamin’ny nofy fa indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ny ondrivavy sy ny osivavy. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny fotoana nikambanan’ny biby dia hitako tamin’ny nofy fa ny lahy sadìka sy maramara ary sada no nikambana tamin’ny vavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny fotoana nikambanan’ny biby dia hitako tamin’ny nofy fa ny lahy sadìka sy maramara ary sada no nikambana tamin’ny vavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa mby amin’ny andro izay nikambanan’ny ondry aman-osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin’ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ny ondrivavy sy ny osivavy. Malagasy Bible Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy. La Bible en Malgache Ary tamin’ny fotoana izay nikambanan’ny ondry aman’osy dia natopiko ny masoko ka hitako tamin’ny nofy fa indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ny ondrivavy sy ny osivavy. |
Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.
Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Nisy Anjelin’Andriamanitra nilaza tamiko, tamin’ny nofy hoe: ‹Ry Jakôba!› Ka novaliako hoe: ‹Inty aho.› Dia hoy izy:
‹Atopazo ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada avokoa ny lahy mikambana amin’ny ondry vavy, satria hitako ny nataon’i Labàna taminao.
Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»
Nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy.
Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.»
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.
Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao,