Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 3:12 - Baiboly Katolika

Hoy ny navalin-dralehilahy: «Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy Ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo dia nihinana aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly ralehilahy hoe: –Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan’io hazo io, ka dia nihinana aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly ralehilahy hoe: –Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan’io hazo io, ka dia nihinana aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy Ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo dia nihinana aho.

Jereo ny toko



Genesisy 3:12
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»


Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.


Ny taolan-tehezana nalain’i Iaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy.


Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?»


Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon’ny olona aho, ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko,


Ny hadalan’ny olona no mahasimba ny lalany; ka i Iaveh no itezeran’ny fony.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.


Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Iza àry no namako?»


satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy, ka nitady hanamarin-tena, fa tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.


Dia hoy ny navalin’i Saola: «Nentin’ny olona avy amin’ny Amalesita ireny; fa navelan’ny olona hatao sorona ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny ondry sy ny omby, ary ny sisa nataonay anatema».