Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.
Genesisy 29:8 - Baiboly Katolika Hoy ny navalin’ireo: «Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona ny andiam-biby fiompy rehetra, sy efa voakodia hiala amin’ny vava lavaka fantsakana ny vato, vao mampisotro ny ondry izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ondry aman’osy rehetra ka akodia ny vato hiala amin’ny vavan’ny fantsakana; dia izay vao mampisotro ny ondry aman’osy izahay. DIEM PROTESTANTA Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ny ondry aman-osy rehetra, ka hakodian’ny olona ny vato hiala amin’ny vavan’ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman-osy izahay. Malagasy Bible Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay. La Bible en Malgache Hoy ireo: Tsy azonay atao izany raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ondry aman’osy rehetra ka akodia ny vato hiala amin’ny vavan’ny fantsakana; dia izay vao mampisotro ny ondry aman’osy izahay. |
Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.
Hoy izy: «He! Mbola antoandro be ny andro, mbola tsy fotoana famoriana ny biby fiompy, ka ampisotroy ny ondry dia mandehana andraso indray izy.»
Mbola, niresaka tamin’ireo teo i Jakôba, no tonga i Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
ka hoy izy taminy: «Tsy azonay atao ny manome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora, fa fahavetavetana izany aminay.»
Dia naroso manokana ny an’i Josefa, ny an’ireo rahalahiny koa manokana; ny an’ireo Ejiptianina niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin’ny Hebrio ny Ejiptianina, fa fahavetavetana ho an’ny Ejiptianina izany.
Ary izy nifampilaza hoe: «Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?»
Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin’ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin’ireo hoe: «Ao ihany va ny mpahita?»