Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 29:4 - Baiboly Katolika

Ary hoy i Jakôba tamin’ireo mpiandry ondry: «Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo?» Hoy ny navaliny azy: «Avy any Haràna izahay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa hianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko



Genesisy 29:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.


Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.


Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,


Dia niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.


Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.


Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,


Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeanina izy ka nonina tany Haràna. Ary nony maty irainy, dia nasain’Andriamanitra nifindra amin’ity tany onenanareo ankehitriny ity izy.