i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Genesisy 28:6 - Baiboly Katolika Hitan’i Esao fa nitso-drano an’i Jakôba i Isaaka sy naniraka azy haka vady any Padan-Arama, sady nanome teny azy teo ampitsofan-drano azy, nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitan’i Esao fa efa nitsodrano an’i Jakoba Isaka ka nampandeha azy ho any Padana-Arama haka vady any; hitany koa fa rehefa nitsodrano azy izy dia namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita; DIEM PROTESTANTA Ary hitan’i Hesao fa nanao veloma an’i Jakôba i Itsehàka sady efa nandefa azy haka vady any Mezôpôtamia ambony; ary teo am-panaovam-beloma dia nanafatrafatra azy izy mba tsy hanambady zazavavy kanahanita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hitan’i Hesao fa nanao veloma an’i Jakôba i Itsehàka sady efa nandefa azy haka vady any Mezôpôtamia ambony; ary teo am-panaovam-beloma dia nanafatrafatra azy izy mba tsy hanambady zazavavy kanahanita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony hitan’i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita hianao; Malagasy Bible Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao; La Bible en Malgache Ary hitan’i Esao fa efa nitsodrano an’i Jakoba Isaka ka nampandeha azy ho any Padana-Arama haka vady any; hitany koa fa rehefa nitsodrano azy izy dia namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita; |
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.
«Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny i Jakôba ka lasa nankany Padan-Arama.»