Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 27:42 - Baiboly Katolika

Nolazain’olona tamin-dRebekà izany tenin’i Esao zanany lahy matoa izany, ka nampanalainy i Jakôba zanany lahy aivo, dia hoy izy taminy: «Indro i Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy namanbara tamin-dRebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an’i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao.

Jereo ny toko



Genesisy 27:42
11 Rohy Ifampitohizana  

Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»


Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,


Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.


Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma


handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny; alefany hamelezany azy tampoka, tsy manan-tahotra akory.


ary ny manao ratsy no ifaliany sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany;


lasan-ko babo mbamin’izy roa vavy, vadin’i Davida, dia i Akinôama avy any Jezraela, sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.