Hoy izy: «Marina tokoa va fa ianao no i Esao, zanako?» Ary hoy i Jakôba: «Izaho no izy.»
Genesisy 27:25 - Baiboly Katolika Dia hoy i Isaaka: «Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.» Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro. DIEM PROTESTANTA Dia hoy indray i Itsehàka taminy: –Arosoy àry hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy indray i Itsehàka taminy: –Arosoy àry hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. Malagasy Bible Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. La Bible en Malgache Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro. |
Hoy izy: «Marina tokoa va fa ianao no i Esao, zanako?» Ary hoy i Jakôba: «Izaho no izy.»
Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.»