Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»
Genesisy 24:65 - Baiboly Katolika ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny. DIEM PROTESTANTA ary nanontany ilay mpanompo hoe: –Iza moa io lehilahy mandeha etỳ an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: –Io no tompoko. Dia noraisin’i Rebekà ny voaly, ka nisaronany tarehy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nanontany ilay mpanompo hoe: –Iza moa io lehilahy mandeha etỳ an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: –Io no tompoko. Dia noraisin’i Rebekà ny voaly, ka nisaronany tarehy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko: dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany. La Bible en Malgache sady niteny tamin’ilay mpanompo hoe: Iza moa irỳ lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika irỳ? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko. Dia nandray ny voaliny i Rebeka mba hanafenany ny tarehiny. |
Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»
I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;
Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.
Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony.
Izany no mahamety ny hananan’ny vehivavy sarim-pahefan’ny lehilahy eo amin’ny lohany, noho ny amin’ny Anjely.
Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,