Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Genesisy 24:61 - Baiboly Katolika Dia niainga i Rebekà sy ny ankizivaviny nitaingina teo ambony rameva, niaraka tamin-dralehilahy; ka roso ny dian’ity mpanompo, nitondra an-dRebekà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga i Rebeka niaraka tamin’ireo mpanompovaviny ka nitaingina ny rameva, dia nanaraka an-dRalehilahy. Nitondra an’i Rebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. DIEM PROTESTANTA Dia niainga i Rebekà sy ireo mpanompovaviny ka nitaingin-drameva, ary lasa nandeha niaraka tamin’ilay mpanompon’i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niainga i Rebekà sy ireo mpanompovaviny ka nitaingin-drameva, ary lasa nandeha niaraka tamin’ilay mpanompon’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niainga Rebeka mbamin’ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. Malagasy Bible Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. La Bible en Malgache Dia niainga i Rebeka niaraka tamin’ireo mpanompovaviny ka nitaingina ny rameva, dia nanaraka an-dRalehilahy. Nitondra an’i Rebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. |
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»
Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kai-Rôy ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.
Nalain-dRasela kosa ny terafima dia nataony tao amin’ny laselin’ny rameva, ary nipetrahany teo amboniny. Dia nisava ny tao an-day rehetra i Labàna ka tsy nahita na inona na inona.
Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao; ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.
Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady; lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy.
Nitsangana niaraka tamin’izay i Abigaila nitaingina ampondra ary ny dimy tamin’ny zazavaviny nomba azy; nanaraka ny irak’i Davida izy ka dia tonga vadiny.
Nasian’i Davida izy ireo, hatramin’ny takarivan’izay ka hatramin’ny ampitso hariva, tsy nisy hafa-nandositra afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingin-drameva, dia nitsoaka.