Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:58 - Baiboly Katolika

Dia nantsoiny i Rebekà, ka hoy izy taminy: «Te-handeha hiaraka amin’ity lehilahy ity va ianao?» Ary hoy navaliny: «Handeha aho.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niantso an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao? Dia hoy Razazavavy: Handeha aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nantsoin’ireo i Rebekà ka nanontaniany hoe: –Moa handeha hiaraka amin’io lehilahy io ve ianao? Ary hoy i Rebekà hoe: –Eny, handeha aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nantsoin’ireo i Rebekà ka nanontaniany hoe: –Moa handeha hiaraka amin’io lehilahy io ve ianao? Ary hoy i Rebekà hoe: –Eny, handeha aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va hianao? Ary hoy izy: Handeha aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niantso an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao? Dia hoy Razazavavy: Handeha aho.

Jereo ny toko



Genesisy 24:58
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ry zareo: «Aoka àry ny zazavavy no hantsointsika hanontaniana izay tiany.»


Izay vao nalefan’izy ireo i Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon’i Abrahama mbamin’ny olony.


Dia hoy i Maria: «Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.» Dia niala teo aminy ny Anjely.