Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:55 - Baiboly Katolika

Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: «Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy ny anadahin’i Rebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy Razazavavy na dia hafoloana ihany aza; aorianan’izay dia handeha izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: –Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: –Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra aty aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy ny anadahin’i Rebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy Razazavavy na dia hafoloana ihany aza; aorianan’izay dia handeha izy.

Jereo ny toko



Genesisy 24:55
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ralehilahy taminy: «Aza dia mahela ahy ianareo, fa efa mba nambinin’i Iaveh ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin’ny tompoko.»


Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina ho fanatitra ho an’i Iaveh.


Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna mimanda dia azony avotana izany, mandritra ny herintaona hatramin’ny nivarotany azy, ka maharitra herintaona maninjitra no ahazoany manavotra azy.


Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin’ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin’ny vatan’ilay liona.


Notazonin’ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao.