Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:54 - Baiboly Katolika

Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: «Alefaso aho hiverina any amin’ny tompoko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia natory. Ary nifoha maraina izy ka niteny hoe: Avelao aho handeha ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireo lehilahy izay nomba azy, dia natory. Ary nifoha maraina izy ka niteny hoe: Avelao aho handeha ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko



Genesisy 24:54
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ralehilahy taminy: «Aza dia mahela ahy ianareo, fa efa mba nambinin’i Iaveh ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin’ny tompoko.»


Izay vao nalefan’izy ireo i Rebekà anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ny mpanompon’i Abrahama mbamin’ny olony.


Nony efa niteraka an’i Josefa i Rasela, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Avelao aho handeha, hody any amiko sy any amin’ny taniko.


Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin’izy ireo: «Aza mifanditra eny an-dalana ianareo».


Ary hoy i Akimaasa, zanak’i Sadôka: «Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin’ny mpanjaka, fa nomen’i Iaveh ny rariny izy, noafahany tamin’ny tanan’ny fahavalony.»


Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.


Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha, no tsara noho ny ankehitriny? fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany.