Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
Genesisy 24:47 - Baiboly Katolika Dia nanontany azy aho, nanao hoe: ‹Zanak’iza moa ianao?› Ary novaliany hoe: ‹Zanak’i Batoela, zanaka lahin’i Nakôra, izay naterak’i Melkà taminy, aho.› Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanontany azy aho hoe: Zanak’iza moa ianao? Hoy izy: Zanak’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, izay naterak’i Milka taminy. Dia nataoko teo amin’ny orony ny kavina ary teny amin’ny tanany ny haba. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa hianao? Ary hoy izy: Zanak’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, aho, izay naterak’i Milka taminy. Dia nataoko teo an-orony ny kavin’orona, ary ny haba teny amin’ny tànany. Malagasy Bible Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany. La Bible en Malgache Dia nanontany azy aho hoe: Zanak’iza moa ianao? Hoy izy: Zanak’i Betoela, zanakalahin’i Nahora, izay naterak’i Milka taminy. Dia nataoko teo amin’ny orony ny kavina ary teny amin’ny tanany ny haba. |
Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra; mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.