dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»
Genesisy 24:26 - Baiboly Katolika Tamin’izay niondrika ralehilahy, dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Hisaorana anie i Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy niova famindram-po sy fahamarinana amin’ny tompoko; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niondrika Ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO DIEM PROTESTANTA Niondrika ilay rangahy ary niankohoka nisaotra ny TOMPO Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niondrika ilay rangahy ary niankohoka nisaotra ny TOMPO Baiboly Protestanta Malagasy Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah, Malagasy Bible Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah, La Bible en Malgache Dia niondrika Ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO |
dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»
Ary hoy koa izy: «Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao.»
Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ary nisaotra an’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina, mba haka ny zana-drahalahin’ny tompoko ho an’ny zanany.
Nony nandre izany ity mpanompon’i Abrahama dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh.
Ny fiangonana rehetra koa nilazan’i Davida hoe: «Samia ianareo misaotra an’i Iaveh Andriamanitrareo.» Ka dia nisaotra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh sy teo anatrehan’ny mpanjaka.
Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata, niankohoka teo anatrehan’i Iaveh koa i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema mba hivavaka amin’i Iaveh.
Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.
Nisaotra an’i Iaveh Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: «Amen, Amen!» Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.
Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»
Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra; ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony.
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
Dia hovalinareo hoe: Izao no soron’ny Paka, fankalazana an’i Iaveh, fa nolalovany fotsiny ny tranon’ny zanak’i Israely tany Ejipta, fony namely an’i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka.
ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak’i Israely i Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.
Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak’omby efa iray taona?
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany,
Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»
Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’i Iaveh; nafoy ho an’i Iaveh izy amin’ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.