Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Genesisy 21:24 - Baiboly Katolika Hoy i Abrahama: «Hianiànako izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Abrahama: Mianiana aho. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Abrahama hoe: –Ianianako izany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Abrahama hoe: –Ianianako izany! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho. Malagasy Bible Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho. La Bible en Malgache Dia hoy i Abrahama: Mianiana aho. |
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Koa mianiàna amiko eto, amin’ny anaran’Andriamanitra fa tsy hamitaka ahy, na ny zanako, na ny zafikeliko ianao, fa ho araka ny soa nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ity tany onenanao ity koa.»
Nanome tsiny an’i Abimeleka anefa i Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan’ny mpanompony an-keriny.
Ary hoy i Jakôba: «Mianiàna àry amiko.» Dia nianiana taminy i Josefa ka niankohoka i Israely teo an-doha farafara.
Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany no ianianan’ny olona, ary ny fianianana no ataony antoka ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.