Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
Genesisy 19:38 - Baiboly Katolika Ny zandriny koa nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Benamy; io kosa no rain’ny taranak’i Amôna mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ka ny anarany nataony hoe Beny-Amỳ, na ny zanaky ny fireneko; izy kosa no rain’ny taranak’i Amona ankehitriny. DIEM PROTESTANTA Niteraka zazalahy ihany koa ilay zandriny, ka ny anarany nataony hoe Bena-Hamy. Izy no razamben’ireto Hamônita ankehitriny ireto. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niteraka zazalahy ihany koa ilay zandriny, ka ny anarany nataony hoe Bena-Hamy. Izy no razamben’ireto Hamônita ankehitriny ireto. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy, ka ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain’ny taranak’i Amona mandraka andro-any. Malagasy Bible Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka androany. La Bible en Malgache Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ka ny anarany nataony hoe Beny-Amỳ, na ny zanaky ny fireneko; izy kosa no rain’ny taranak’i Amona ankehitriny. |
Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.
Reko avokoa ny fanevatevan’i Moaba sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amôna, izay nanevateva ny vahoakako, sy nitatra nihoby taminy teny amin’ny sisin-taniny.
Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.
ka ho tonga any akaikin’ny taranak’i Amôna ianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin’ny taranak’i Amôna, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.
Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.
Ny teraka amin’ny fanambadiana mahadiso, dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh. Na dia ny taranany fahafolo aza tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh.
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.
Rehefa azon’i Saola ny fanjakana tamin’ny Israely, niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina izy, dia tamin’i Moaba, tamin’ny taranak’i Amôna, tamin’i Edôma, tamin’ireo mpanjakan’i Sobà ary tamin’ny Filistinina, ka izay nitodihany rehetra na aiza na aiza resiny avokoa.