Genesisy 19:13 - Baiboly Katolika fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa horavanay ity tanàna ity satria lehibe loatra ny fitarainana momba azy ireo tonga eo anatrehan’NY TOMPO, koa naniraka anay NY TOMPO handrava azy. DIEM PROTESTANTA satria lehibe ny fitarainana tonga eo anatrehan’ny TOMPO momba ny mponina ao aminy; koa nirahin’ny TOMPO izahay handrava azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria lehibe ny fitarainana tonga eo anatrehan’ny TOMPO momba ny mponina ao aminy; koa nirahin’ny TOMPO izahay handrava azy. Baiboly Protestanta Malagasy fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan’i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. Malagasy Bible fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. La Bible en Malgache Fa horavanay ity tanàna ity satria lehibe loatra ny fitarainana momba azy ireo tonga eo anatrehan’NY TOMPO, koa naniraka anay NY TOMPO handrava azy. |
Dia hoy i Iaveh: «Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
Ary hoy izy roa lahy tamin’i Lôta: «Inonao avy koa no mbola eto? Na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin’ity toerana ity avokoa;
Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.
Ary ankehitriny matoa niakarako ity tany ity handrava azy, moa tsy avy amin’ny sitrak’i Iaveh izany? - Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: ‹Miakara hamely izany firenena izany, ka ravao izy!› »
Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
«Mialà eo afovoan’ity fiangonana ity ianareo, handringanako azy indray mihelina monja.»
Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.
Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho ianao tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao.
dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa vetivety foana ianareo, dia ho fongotra eo amin’ny tany izay halehanareo hakanareo azy ho fanananareo, amin’ny fitànareo an’i Jordany; tsy ho lava andro eo ianareo, fa haringana mihitsy.
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Toy izany i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin’ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.