Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?
Genesisy 18:23 - Baiboly Katolika Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe: «Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatona i Abrahama ka niteny hoe: Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina? DIEM PROTESTANTA Koa nanatona i Abrahama sady nanao hoe: –Dia haringanao tokoa miaraka amin’ny meloka ve ny marina? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nanatona i Abrahama sady nanao hoe: –Dia haringanao tokoa miaraka amin’ny meloka ve ny marina? Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina? Malagasy Bible Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina? La Bible en Malgache Dia nanatona i Abrahama ka niteny hoe: Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina? |
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?
Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»
Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa i Abimeleka ka namaly hoe: «Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza?
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’i Iaveh: «Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re ho izaho sy ny mpianakavin’ikaky no hasian’ny tananao!»
fahavalon’ny rariny ve hahazo ny fahefana ambony indrindra? Sahinao hohelohina va ilay Marina, ilay Mahefa?
Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka Aho.
Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa. Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;