Genesisy 18:20 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh: «Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ihany NY TOMPO: Ny fitarainana momba an’i Sodoma sy i Gomora dia be tokoa, ary ny fahotany dia tena mavesatra. DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamin’i Abrahama: –Betsaka ny fitarainana momba an’i Sôdôma sy i Gômôra; ary mavesatra loatra ny fahotany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamin’i Abrahama: –Betsaka ny fitarainana momba an’i Sôdôma sy i Gômôra; ary mavesatra loatra ny fahotany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; Malagasy Bible Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; La Bible en Malgache Hoy ihany NY TOMPO: Ny fitarainana momba an’i Sodoma sy i Gomora dia be tokoa, ary ny fahotany dia tena mavesatra. |
fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»
Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sôdôma, hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin’ny tanàna manontolo.
Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Nijery ny tany Andriamanitra ka indro efa simba izy, fa samy efa nanimba ny lalany tambonin’ny tany avokoa ny nofo rehetra.
Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.
Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.
Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.
«Mitsangana ianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatraty Amiko ny haratsian’izy ireo».
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.