Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Genesisy 18:12 - Baiboly Katolika ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa nihomehy anakampo i Saraha hoe: Moa mbola hanana fahafinaretana ihany va aho na dia efa tratra antitra toy izao aza sady efa antitra koa ity ny tompoko? DIEM PROTESTANTA Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin’izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin’izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? Malagasy Bible Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? La Bible en Malgache Koa nihomehy anakampo i Saraha hoe: Moa mbola hanana fahafinaretana ihany va aho na dia efa tratra antitra toy izao aza sady efa antitra koa ity ny tompoko? |
Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Hoy i Iaveh tamin’i Abrahama: «Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa antitra ity ve dia mbola hiteraka indray?
ka hoy i Elisea taminy: «Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy ianao.» Fa hoy izy: «Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon’Andriamanitra tompoko.»
Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»
Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo.
Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran’ny tranon’ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan’ny andro.