I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.
Genesisy 17:15 - Baiboly Katolika Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao dia tsy mba hataonao hoe Saray intsony ny anarany fa Saraha no ho anarany. DIEM PROTESTANTA Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –I Saray vadinao dia tsy hantsoina intsony hoe Saray; fa hatao hoe Sarà ny anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –I Saray vadinao dia tsy hantsoina intsony hoe Saray; fa hatao hoe Sarà ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. Malagasy Bible Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. La Bible en Malgache Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao dia tsy mba hataonao hoe Saray intsony ny anarany fa Saraha no ho anarany. |
I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.
Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»
ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.
ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»
ka naniraka hilaza izany tamin’ny alalan’i Natàna, mpaminany, izay nanome anarana azy hoe i Jedidiah, noho ny amin’i Iaveh.
Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an’i Iaveh. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.