Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Genesisy 16:14 - Baiboly Katolika Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe Bera-Lahay-Roỳ; eo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda izy io. DIEM PROTESTANTA Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan’i Lahay-Rôy na fantsakan’Ilay Velona mahita ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan’i Lahay-Rôy na fantsakan’Ilay Velona mahita ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’i Kadesy sy Bareda izany. Malagasy Bible Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany. La Bible en Malgache Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe Bera-Lahay-Roỳ; eo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda izy io. |
Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara.
Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza.
Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.
Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kai-Rôy ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.
Nony maty i Abrahama, nasian’Andriamanitra soa i Isaaka zanany; ary tao akaikin’ny fantsakana «Lakai-Rôy» i Isaaka no nonina
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.