Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 15:11 - Baiboly Katolika

Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy vorona mpiremby nidina teo amin’ny fatin’ireo, fa noroahin’i Abrama ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nidina teo ambonin’ireo ny vorona mpihaza ka noroahin’i Abrama.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nidina teo ambonin’ireo ny vorona mpihaza ka noroahin’i Abrama.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nidina teo amin’ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy vorona mpiremby nidina teo amin’ny fatin’ireo, fa noroahin’i Abrama ireo.

Jereo ny toko



Genesisy 15:11
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiany avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.


Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.


Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny Vavanao.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tonga tao Libàna ny voromahery lehibe, manana elatra lehibe, ka malalaka be ny fivelatry ny elany, ary rakotra volo samihafa soratra izy, ka nalainy ny tendron’ny sedera.


Nisy voromahery makadiry hafa koa, sady be elatra no matevim-bolo; ary indro fa ity voaloboka dia maimay handefa ny fakany mankany aminy, ary nanatsotra ny rantsany mankany aminy, avy eo amin’ny kisahasaha nambolena azy, mba hotondrahany.


ary nony namafy Izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;