Izao no taranak’i Tare: I Tare niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna. I Aràna niteraka an’i Lôta.
Genesisy 14:12 - Baiboly Katolika I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma. DIEM PROTESTANTA Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary namabo ny zana-drahalahin’i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. Malagasy Bible Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. La Bible en Malgache Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma. |
Izao no taranak’i Tare: I Tare niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna. I Aràna niteraka an’i Lôta.
Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.
Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.
Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sôdôma sy Gômôra, mbamin’ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy.
Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.
Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa i Lôta rahalahiny, mbamin’ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra.
Raha mba mahafaty amin’ny indray mamono ahay ny loza! Fa indrisy; ihomehezany ny fizahan-toetra ny marina.
Ary niteny tamin’ny fiangonana Izy, nanao hoe: «Manalavira ianareo ny lain’ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa ianareo, azon’ny fahotany rehetra.»
Dia nandre feo iray hafa koa avy any an-danitra aho, nanao hoe: Mihataha aminy ianareo, ry vahoakako, mba tsy hiray heloka aminy, sy tsy hiombon-doza aminy,