Genesisy 10:25 - Baiboly Katolika Roa lahy no zanak’i Ebera, ka Falega no anaran’ny anankiray, fa tamin’ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran’ny rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Ebera dia niteraka roa lahy: Ny anaran’ny iray dia natao hoe Pelega satria tamin’ny androny no nizarana ny tany, ary Joktana no anaran’ny rahalahiny. DIEM PROTESTANTA I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na «Fizaràna» satria tamin’ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Jôktàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ny rahalahiny. Malagasy Bible Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny. La Bible en Malgache I Ebera dia niteraka roa lahy: Ny anaran’ny iray dia natao hoe Pelega satria tamin’ny androny no nizarana ny tany, ary Joktana no anaran’ny rahalahiny. |
Ireo no fianakavian’ny zanak’i Nôe, araka ny taranany, any amin’ny fireneny avy. Avy amin’ireo ny firenena niely teto ambonin’ny tany, taorian’ny safodrano.
Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.
Roa no zanaka lahy naterak’i Hebera: ny anaran’ny anankiray dia Falega, fa tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary ny anaran’ny rahalahiny kosa dia Jektàna.
izy ireo no hany nomena ny tany, ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy na oviana na oviana.
Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,
Nony nomen’ny Avo indrindra zaratany ny firenena, nony natokotokony ny zanak’olombelona, dia nametra ny faritanin’ny vahoaka Izy; araka ny isan’ny zanak’i Israely.