Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 1:8 - Baiboly Katolika

Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe ,lanitra’. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,– andro faharoa izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa.

Jereo ny toko



Genesisy 1:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina, ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona, ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.


Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.


Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary ny maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.


Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany.


Hoy Andriamanitra: «Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.» Dia tanteraka izany.


Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin’ny nahariany azy.


Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony.


Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny: