Ary i Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: «Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.
Genesisy 1:29 - Baiboly Katolika Ary hoy Andriamanitra: «Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny. DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana ho anareo ireny. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny. |
Ary i Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: «Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.
Ary ianao kosa, itondray avokoa rehefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy ataonao sy izy ireo fihinana.»
Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Toy izany no amoahany ny fitsaràny amin’ny firenena, sy anomezany hanina ankabetsahana koa.
Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo;
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
izany no honina any amin’ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.
Noho izany, indro Aho hanampina ny lalanao amin’ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny lalany intsony izy.
Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.
fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan’ny mpanao tononkira sasany taminareo hoe: ‹Taranany koa isika.›
handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon’Andriamanitra horaisin’ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana.
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;