Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 1:25 - Baiboly Katolika

Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Andriamanitra nanao ny bibidia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Andriamanitra nanao ny bibidia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Jereo ny toko



Genesisy 1:25
9 Rohy Ifampitohizana  

Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.


Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony.


Kanefa, masìna ianao, mba fotory ny biby, fa hampianatra anao izy; hatramin’ny voromanidina, fa hanoro anao izany izy.


Ny fofon’ainy no anjarian’ny lanitra ho madio, ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra.


Mivoaka setroka ny vavorony, mova tsy ny avy amin’ny vilany mangotraka sy mandevilevy.


Izaho no nanao tamin’ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny teny sy ny olona mbamin’ny biby eto ambonin’ny tany, ary manome azy ho an’izay tiako.


satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana.