Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.
Genesisy 1:17 - Baiboly Katolika Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany DIEM PROTESTANTA Napetrak’Andriamanitra teny amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Napetrak’Andriamanitra teny amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nametraka azy eny amin’ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin’ny tany, Malagasy Bible Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany, La Bible en Malgache Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany |
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.
Mba efa nandidy maraina va ianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin’ny mazava atsinanana,
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.
Izao no lazain’i Iaveh: Raha mahafoana ny fanekeko amin’ny andro, sy ny fanekeko amin’ny alina, ianareo, ka efa tsy amin’ny fotoany intsony, ny andro sy ny alina:
Izao no lazain’i Iaveh: Raha tahiny Aho tsy nanao fanekena amin’ny andro sy ny alina sy tsy nandahatra ny lalàna arahin’ny lanitra sy ny tany.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay: Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianareo, mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazantany».