Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Filemona 1:20 - Baiboly Katolika

Eny, rahavako, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao, ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, ry rahalahy, mba ataovy ho fifaliako avy aminao ao amin’ny Tompo izany; ampandrio ny saiko noho ny amin’i Kristy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin’i Kristy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin’i Kristy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’i Kristy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, ry rahalahy, mba ataovy ho fifaliako avy aminao ao amin’ny Tompo izany; ampandrio ny saiko noho ny amin’i Kristy.

Jereo ny toko



Filemona 1:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy ireo; ka mahaiza manaja ny olona toy ireny.


satria raha mampalahelo anareo aho, iza indray àry no hampifaly ahy, afa-tsy izay nampalaheloviko ihany?


Dia izany àry no nanafaka alahelo anay. Sady vao mainka niampy indray izany fanalana alahelo izany, noho ny hafalianay nandre ny hafalian’i Tito, fa namelombelona ny fanahiny ianareo rehetra.


Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.


Koa amin’izany, ry havako malala, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatroboninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo araka izany, ry malalako.


Ampodiko atỳ aminao izy, ilay sombin’ny aiko.


Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina, ry rahavana.


Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.


Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?


Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.