Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Ezra 4:11 - Baiboly Katolika

Izao no kôpian’ny taratasy nampitondrainy an’i Artakserksesa mpanjaka: Ny mpanomponao, ny olona atỳ an-dafin’ny ony, sns.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no voadika amin’ny taratasy nampitondrainy ho any amin’i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ andafin’ny ony Eofrata....

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao kosa no kôpian’ilay taratasy nalefany ho an’ny amperôra Artakserksesa: «Voninahitra ho anay mpanomponao atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao kosa no kôpian’ilay taratasy nalefany ho an’ny amperôra Artakserksesa: «Voninahitra ho anay mpanomponao atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no teny amin’ny taratasy nampitondrainy ho any amin’i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin’ny ony etỳ....

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ an-dafin'ny ony etỳ .....

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no voadika amin’ny taratasy nampitondrainy ho any amin’i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao etỳ andafin’ny ony Eofrata....

Jereo ny toko



Ezra 4:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Akaba izy, nasiany tombokasen’ny mpanjaka, nalefany ho any amin’ny loholona sy ny andriambaventy ao an-tanàna miara-monina amin’i Nabôta.


Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.


ary ny vahoaka sisa, izay nentin’i Asnafara, lehibe sady malaza, nafindrany sy namponeniny ao an-tanànan’i Samaria sy amin’ny tany sasany atỳ an-dafin’ny ony, sns.»


Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankatỳ aminay, dia tonga tatỳ Jerosalema, ka namboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, ka efa manao ny mandany sy mamboatra ny fototra izy izao.


Izao no kôpian’ny taratasy ho an’i Dariosa mpanjaka, nalefan’i Tatanaì, governoran’ny eny an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin’ny ony.


Izao no kôpian’ny taratasy nomen’i Artakserksesa mpanjaka, an’i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn’i Iaveh ny amin’ny momba an’i Israely.


Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy: «Nahoana Ianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritanina?» (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina).