Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?
Eksodosy 9:7 - Baiboly Katolika Nampamototra i Faraôna ka tsy nisy maty tokoa ny bibin’ny zanak’i Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy. DIEM PROTESTANTA Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin’ny biby fiompin’ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin’ny biby fiompin’ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ny Zanak’Isiraely na dia iray akory aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy. Malagasy Bible Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy. La Bible en Malgache Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy. |
Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?
Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery;
Ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh rahateo.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.
Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Mandraofa ianareo lavenona eran’ny tananareo, eo amin’ny lafaoro lehibe, dia hataon’i Môizy savoan-danitra eo imason’i Faraôna izany,
Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.
Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka, ary anjam-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao,
Koa dia izay tiany hamindram-po no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisim-po no hamafisiny fo.