Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:6 - Baiboly Katolika

Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony ampitso dia nataon’i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin’ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Nafoiny ho an’ny havandra ny biby fiompiny, ary hoasian’ny varatra ny andiam-bibiny.


Nanampatra ny fahatezerany rehetra Izy, ka tsy namonjy ny fanahin’izy ireo tamin’ny fahafatesana, nanolotra ny ain’izy ireo tamin’ny fandringanana.


Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.


«Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.


Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?


Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.


Tsy nisy afa-tsy ny tany Genesa, izay nisy ny zanak’i Israely ihany, no tsy nilatsahan’ny havandra.


Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.


Noferan’i Iaveh ny fotoana nataony hoe: Rahampitso no hanaovan’i Iaveh izany amin’ny tany.»