Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:29 - Baiboly Katolika

Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ny tanàna aho, dia hamelatra ny tànako amin’i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Jehovah ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:29
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia tao anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:


raha manao fivavahana sy fifonana ny olona na iza na iza sy i Israely rehetra vahoakanao, sady samy miaiky ny ferin’ny fony ka mamela-tanana manandrify ity trano ity,


Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:


Fa ianao kosa raha mitondra ny fonao ho amin’Andriamanitra mananty tanan-droa miandrandra Azy,


Manao izay tiany rehetra i Iaveh, eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.


Mananty tanan-droa aminao aho, ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà


Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao akory, fa Ahy avokoa izao tontolo izao sy izay ao aminy.


Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra,


Satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro fahafito nitsaharany, ka izany no nanasoavan’i Iaveh ny andro sabata sy nanamasinana azy.»


Ka hoy i Môizy: «Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin’ny Ejiptianina ny sorona atolotra an’i Iaveh Andriamanitray; ka raha eo imason’ny Ejiptianina izahay no hanao sorona ny zava-pady, tsy sakoa ataony tora-bato?


«Ho amin’ny ampitso.» Dia hoy i Môizy: «Aoka, fa ho tanteraka izany, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’i Iaveh, Andriamanitray.


Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.


Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.


satria an’Andriamanitra daholo ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy.


Fa raha misy manao aminareo hoe: «Natao fanatitra tamin’ny sampy io,» no aza mihinana, noho ilay nilaza sy noho ny kônsiansy.


Jereo fa an’i Iaveh Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.