Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:25 - Baiboly Katolika

Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:25
8 Rohy Ifampitohizana  

Nolevoniny tamin’ny havandra ny voalobony, ary tamin’ny vongan-kavandra ny aviaviny.


Nafoiny ho an’ny havandra ny biby fiompiny, ary hoasian’ny varatra ny andiam-bibiny.


Ary izao dia asaovy hampidirina izay biby amam-panananao rehetra any an-tsaha; fa izay olona na biby rehetra tavela any an-tsaha fa tsy tafiditra tao an-trano dia hasian’ny havandra ka ho ringana.»


Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin’ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy.


Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.


Tamin’ny nandosiran’izy ireo teo anatrehan’ny zanak’i Israely teo amin’ny fidinan’i Betôrôna dia nampianjeran’i Iaveh vato vaventy izy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin’ny havandra vato noho ny matin’ny sabatry ny zanak’i Israely.