Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:21 - Baiboly Katolika

Fa izay tsy nandinika tao am-pony ny tenin’i Iaveh kosa, namela ny mpanompony mbamin’ny bibiny tany an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’NY TOMPO kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin'i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’NY TOMPO kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»


Raha tsy mihevitra afa-tsy ny tenany Izy, ka sintoniny ho eo aminy ny fanahiny amam-pofon’ainy,


Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra erỳ, fa mba mety hikarakara azy Ianao,


Dia nody i Faraôna ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony.


Ka izay natahotra ny tenin’i Iaveh, teo amin’ny mpanompon’i Faraôna, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin’ny bibiny.


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, hilatsahan’ny havandra eran’ny tany Ejipta rehetra, amin’ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.»


Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery; fa ny kely saina kosa, mandroso ihany ka voa.


Nijery aho, ka nandinika tao am-poko, nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:


Dia hoy ralehilahy tamiko: «Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao, ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an’izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak’i Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao.»


Efa ho faty izy no nilazan’ireo vehivavy teo akaikiny nataony hoe: «Aza matahotra fa tera-dahy ianao». Nefa tsy novaliany na nasiany raharaha akory izany.