Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.»
Eksodosy 9:13 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ianao ka tongava any amin’i Faraôna, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso handeha hanompo Ahy ny vahoakako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko. Baiboly Protestanta Malagasy ARY hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mifohaza maraina koa hianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy. |
Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.»
Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,
Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso hanompo Ahy ny vahoakako.