Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 8:13 - Baiboly Katolika

Dia nataon’izy ireo izany. Nahinjitr’i Aarôna ny tanany mbamin’ny tehiny, ka nokapohiny ny vovo-tany, dia mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka. Nanjary moka avokoa ny vovo-tany eran’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia notanterahiny izany ka natsotran’i Arona ny tanany izay mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany; dia nisy moka teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy, satria tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra manerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia notanterahin’izy mirahalahy izany: nahinjitr’i Aharôna ny tanany ka nokapohiny tamin’ny tehiny ny vovo-tany; dia nisy moka nandrakotra ny olona sy ny biby fiompy. Ny vovo-tany rehetra dia tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia notanterahin’izy mirahalahy izany: nahinjitr’i Aharôna ny tanany ka nokapohiny tamin’ny tehiny ny vovo-tany; dia nisy moka nandrakotra ny olona sy ny biby fiompy. Ny vovo-tany rehetra dia tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr’i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran’ny tany Egypta rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia notanterahiny izany ka natsotran’i Arona ny tanany izay mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany; dia nisy moka teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy, satria tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra manerana ny tany Ejipta manontolo.

Jereo ny toko



Eksodosy 8:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;


Niteny izy ka lalitra zavon-tany no tonga, dia moka nanerana ny faritaniny.


Nony hitan’i Faraôna anefa fa tsy nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao an’i Aarôna hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran’ny tany Ejipta ireny.»


Nanao toy izany tamin’ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka.