Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 7:16 - Baiboly Katolika

ary ianao hilaza aminy hoe: ‹Avelao handeha ny vahoakako, hanompo Ahy any an’efitra. Ary indro fa mandrak’izao dia tsy nety nihaino ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hankaty aminao hilaza hoe: Avelao ny oloko handeha mba hanompoany Ahy any an-tany efitra. Nefa indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka izao no ambarao aminy: «Ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hilaza aminao hoe: ‹Alefaso ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko any an-taniefitra.› Nefa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka izao no ambarao aminy: «Ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hilaza aminao hoe: ‹Alefaso ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko any an-taniefitra.› Nefa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankatỳ aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino hianao mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hankaty aminao hilaza hoe: Avelao ny oloko handeha mba hanompoany Ahy any an-tany efitra. Nefa indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko



Eksodosy 7:16
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo Ahy.


Fa rehefa nikiry tsy nety nandefa anay i Faraôna dia novonoin’i Iaveh ny lahy matoa rehetra tamin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’ny olona, ka hatramin’ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin’i Iaveh sy hanavotako ny lahy matoa rehetra amin’ny zanako lahy.


Nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe: «Lasa nandositra ny vahoaka.» Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka, fa hoy izy ireo: «Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?»


Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»


Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: «Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atỳ aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?»


Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta ka hanao aminy hoe: Niseho taminay i Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray.


Ianao hilaza amin’i Faraôna hoe: Izao no lazain’i Iaveh: I Israely dia zanako, zanako lahy matoa.


Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.»


Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Ahinjiro eo ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tananao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin’ny tany Ejipta ny sahona.»


Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso hanompo Ahy ny vahoakako.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ianao ka tongava any amin’i Faraôna, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso handeha hanompo Ahy ny vahoakako.


Izaho no nanangana azy io, tamin’ny fahamarinako, ka mandravona ny lalany rehetra; Izy no hanangana ny tanànako indray, sy hampody ny oloko voababo, tsy amin’avotra na fanatitra,» hoy i Iavehn’ny tafika.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ampahorîna ny zanak’i Israely mbamin’ny zanak’i Jodà miaraka aminy koa; mitana azy avokoa izay nitondra azy ho babo, fa tsy mety mandefa azy.