Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 7:11 - Baiboly Katolika

Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa nampiantsoan’i Farao ny olon-kendry sy ny mpanao ody; ary ireo ombiasin’i Ejipta ireo dia mba nanao toy izany koa tamin’ny sikidiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nantsoin’ny Farao ihany koa ireo olon-kendry sy mpanao majia tao Ejipta; ary ireo ombiasy ireo dia nanao toy izany koa tamin’ny fitokavany:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nantsoin’ny Farao ihany koa ireo olon-kendry sy mpanao majia tao Ejipta; ary ireo ombiasy ireo dia nanao toy izany koa tamin’ny fitokavany:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampanalain’i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin’ny fankatovany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa nampiantsoan’i Farao ny olon-kendry sy ny mpanao ody; ary ireo ombiasin’i Ejipta ireo dia mba nanao toy izany koa tamin’ny sikidiny.

Jereo ny toko



Eksodosy 7:11
25 Rohy Ifampitohizana  

Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna.


Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.


Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.


Amin’io andro io anefa havahako ny tany Genesa onenan’ny vahoakako, fa tsy mba hisy lali-be ny ao, mba hahafantaranao fa ao afovoan’io tany io Izaho Iaveh.


Nanao torak’izany koa anefa ny mpanao ody tamin’ny fankatoavany, ka nampiakatra ny sahona ho eo amin’ny tany Ejipta izy ireo.


Hiala aminao sy ny tranonao ny sahona ary amin’ny mpanomponao sy amin’ny vahoakanao, tsy hisy tavela intsony, afa-tsy ny any amin’ny ony ihany.»


Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.


Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!


dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;


Ary ny fisehoan’ilay ratsy, noho ny asan’i Satana dia homban’ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra,


Tahaka ny nanoheran’i Janesy sy i Jambresy an’i Môizy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana,


kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany.


Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;


dia nantsoin’ny Filistinina ny mpisorona mbamin’ny mpimasy, nilazany hoe: «Hatao ahoana ity Fiaran’i Iaveh? Lazao anay izay famerina azy amin’ny fitoerany».