Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 6:9 - Baiboly Katolika

Dia nolazain’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany. Nefa tsy nihaino an’i Môizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nilaza izany tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nefa tsy nihaino an’i Mosesy izy ireo noho ny fahakiviany amin’ny fanompoana tsy ara-drariny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Mosesy nilaza izany tamin’ny Zanak’Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nilaza izany tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy. Nefa tsy nihaino an’i Mosesy izy ireo noho ny fahakiviany amin’ny fanompoana tsy ara-drariny.

Jereo ny toko



Eksodosy 6:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Moa olombelona va no halehan’ny fitarainako? Ka aiza no hahatsindriako ny foko?


nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.


Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an’efitra.»


Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.


ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»


Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:


Miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ny ratsy fanahy; ary eo am-baravaran’ny marina, ny tsy mpivavaka.


Ny sain’ny olona no manohana azy raha marary; fa raha ny sainy no kivy, iza indray no hanarina azy?


Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io,