nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.
Eksodosy 5:14 - Baiboly Katolika Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak’i Israely, izay notendren’ny mpampiasan’i Faraôna hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: «Nahoana ianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny mpifehy ny Zanak’Israely izay notendren’ny mpampiasa avy amin’i Farao hifehy azy dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha? DIEM PROTESTANTA Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: «Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan’ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: «Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan’ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpifehy ny Zanak’Isiarely, izay notendren’ny mpampiasa avy amin’i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ny fanaovana ny biriky omaly sy andro-any, tahaka ny teo aloha? Malagasy Bible Ary ny mpifehy ny Zanak'Isiraely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha ? La Bible en Malgache Ary ny mpifehy ny Zanak’Israely izay notendren’ny mpampiasa avy amin’i Farao hifehy azy dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin’ny fanaovana ny biriky omaly sy androany, tahaka ny teo aloha? |
nampangidiny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy, dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana.
Noporitin’ny mpampiasa nataony hoe: «Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan’andro tahaka ny fony nanana mololo ianareo.»
Koa lasa nitaraina tany amin’i Faraôna ny mpanoratry ny zanak’i Israely nanao hoe: «Nahoana ianao no dia manao toy izany amin’ny mpanomponao?
Androtr’izay ihany dia nomen’i Faraôna teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra nataony hoe:
Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha.